4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Metymety - Lolo sy ny tariny

Ary metimety ry mana-kavana (2*)

Raha manam-bola mana-taratasy

Ary manan’omby  ary mana-kena

Manan-tanimbary manam-pitafiana

Tsa misy tahakin’ny mana-kavana e



Nilefalefa raha fokon’olona  fa tonga ny vazaha senegaly eee (4*)



Raha metimety ry manam-piara (2*)

Ary manam-piara tsy  mba mety tara

Ary manam-piara mahita vady

Ary manam-bady matory tsara

Tsa misy tahakin’ny manam-piara e



Nilefalefa raha fokon’olona  fa tonga ny vazaha senegaly eee (4*)



Ary metimety ry manam-basy (2*)

Ary manam-basy manan-kery

Manan-kery mana-tany

Mana-tany mana-panjakana

Fa manan-tsoa ary mana-kavana e

Partager metymety

Commenter metymety

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny